Raiso, hamasino ny soronay, ry Tompo,
Fa solon-tenanay, eo an-tongotrao.
1 Ray mandrakizay nahary izao rehetra izao,
Ity ny tenanay ho fanananao.
2 Ny fo sy ny saina sy ny herinay rehetra
Am-pelatananao, raiso anjakao.
3 Ny fiainanay sy ny fahafatesanay
Atolotray anio amim-panekena.