Naniraka ny mpianany tsiroaroa

Nampiditra: Belle
Sokajy: Fanirahana,


  • Ankalazao ny Tompo p. "427
  • Fihirana Hasina p. "627

Naniraka ny mpianany tsiroaroa,
Naniraka ny mpianany i Kristy. (Lk. 10, 1)
 
1. Raha mahay mifankatia ianareo,
 Dia ho fantatra tokoa fa tena mpianatro.
 
2. Ka esory ny ahiahy sy tebiteby;
 Ho tanteraka ny didin'izy Tompo.
 
3. Fahoriana iaraha-mitondra tena maivana,
 Tsy ho lavitra mpitsabo raha marary.
 
4. Hampionona anareo ny Tompontsika,
 Dia hampionona ny ory ianareo.
 
5. Olon-droa mifampatoky miditra ala,
 Tsy matahotra ny loza raha mamindra.
 
6. Indro izaho no naniraka anareo
 Toy ny ondry eo anivon'ny amboadia.

7. Olon-droa mifampatoky miditra ala,
  Tsy matahotra ny loza raha mamindra.

8. Indro Izaho no naniraka anareo
   Toy ny ondry eo anivon'ny amboadia,

9. Raha misy roa mangataka amin'ny Raiko
   Dia ho sitrany tokoa, ka homeny.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0074 s.] - Hanohana anay