Na tsy mendrika aza re izay atolotray anao

Nampiditra: Belle
Sokajy: Fanolorana,


  • Fihirana Hasina p. "618
  • Vavaka sy Hira p. "733

Na tsy mendrika aza re izay atolotray anao,
Azafady, Tompo ô, mba ekeo raha sitrakao.
 
1 Ny andro anio sy ny andro hiainako rehetra
 Atolotro avokoa, ry Tompo ô.
 Ny tenako sy ny heriko manontolo
 Atolotro avokoa, ry Tompo ô.
 
2 Ny vatako izay misahirana isan'andro
 Atolotro anao tokoa, ry Tompo ô.
 Ny fanahiko izay mitady mba hampanjaka anao
 Atolotro anao ihany koa, ry Tompo ô.
 
3 Ny hafaliana mameno ny fanahiko
 Atolotro avokoa, ry Tompo ô.
 Ny tebitebin-tsaina sy ny ahiahim-poko rehetra
 Atolotro avokoa, ry Tompo ô.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0080 s.] - Hanohana anay