Mba mihirà isika kristianina - Md Joany Batista

Nampiditra: Belle
Sokajy: Olomasina,


  • Fihirana Hasina p. "584
  • Vavaka sy Hira p. "631

Mba mihirà isika kristianina
Ny mpialoha ny Mpamonjintsika,
I Masindahy Joany Batista      )
No hiraintsika sy deraintsika. ) (indroa)
 
1 Mifaninàna isika hanaraka ny nataony,
 Aoka isika rehetra mba hazoto tokoa,
 Hanao 'zay zakantsika, mba hitandrina tsara
 Ny anatra nomeny antsika.
 
2 Ny fiaretanao ny fanenjehana mafy
 Sy ny manjo rehetra: mampirisika anay
 Handao ny zava-poana, mba hiombona anjara
 Aminao any an-danitra any.
 
3 Mba lehibe tokoa ny voninahitra valin'
 Ny nataony rehetra! Nahafoy ny aina
 Tsy nitsahatra nandà ny fonao mifanohitra
 Amin'ny fivavahan-to.
 
4 Ny fangatahanay ampio fifonana
 Amin'ny Tompontsika! Aoka izahay rehetra
 Mba hanaraka anao ka tsy ho diso anjara:
 'Zany no angatahinay.
 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0074 s.] - Hanohana anay