1 Manaitra sy mampangovitra
Ny mandinika anao,
Ry andro tsy mba fantatra
Hiafaran'ny aina.
2 Ny olo-marina aza
Ho be tahotra am-po
Fa mainka ny mpanota;
Loza loatra ny hanjò.
Zôzefa fanantenanay
Mba arovinao 'zahay
Raha avy ny farandro
Hanapitra ny ainay. (indroa)
3 Iriko, ry Zôzefa,
Ny nialanao aina:
I Jesoa sy ny Reniny
No nanohana anao.
4 Zôzefa, ataovy masina
Ny hafatesako
Ny aiko ampandrio
An-tanan'i Jesoa.