Izay misy ny harenareo no misy ny fonareo
Izay misy ny harenareo
No misy ny fonareo.
 
1 Maningotra anie ny harena eto an-tany,
 Mamatotra mafy!
 
2 Kanefa ny Tompo izay hany itokiana
 Dia tokana ihany!
 
3 Mba sambatra endrey 'reo mahantra am-panahy
 Ka marina anaty.
 
4 'Reo tsy mba voageja ka afaka handroso
 Hankany amin'ny Ray!
 
5 'Zay tia ny Tompo amy fony tontolo
 Ho sambatra indrindra!
 
6 Ny fahalalana ny tenin'ny Tompo
 Haren-tsarobidy!
 
7 Ho mpanan-karena amin'ny soa rehetra
 'Reo be fiantrana.
 
8 Satria Andriamanitra lovan'ireo
 'Zay miahy ny ory.
 
                    Nampiditra Belle                
                        
                            
                            Ankalazao ny Tompo p.
                            209                        
                                            
                            Fihirana Hasina p.
                            543                        
                                            
                            Fihirana Vaovao p.
                            84                        
                                            
                            Vavaka sy Hira p.
                            553                        
                                    
