Izao fisarahana izao
Tsy haharitra mandrakizay:
'Reo havana lasa nandao
Ho hita ao an-tranon'ny Ray.
1 Ry rainay malala nandao,
Sy mamin'ny fonay tia,
Mangidy ny ilaozanao,
Mionona anefa satria:
2 Tsarovy izahay, ivavaho,
Ianao koa tsy ho hadinonay,
Fa vavaka indray mitalaho,
Tsy maintsy horaisin'ny Ray.
3 Rahefa ho faty izahay,
Ho faly hihaona aminao,
Ho sambatra mandrakizay,
Ho sambatra tsy hifandao.