(1Jn. 1, 1-4)
1 Ilay efa nisy hatrany am-boalohany
Ka renay kosa ary hitanay maso,
Nobanjininay, notsapainay tànana,
Dia teny fiainana mandrakizay.
Fa izy fiainana tao amy Ray
Niseho taminay.
2 Fa efa niseho ny tena fiainana,
Nahita izahay ka indro mijoro
Ho vavolombelony sahy miteny
Ny tena fiainana mandrakizay.
Fa izy fiainana tao amy Ray
Niseho taminay.
3 Ilay hitanay ary koa henonay
No indro ambaranay kosa anareo
Hanananareo fiombonana aminay:
Ho feno tanteraka ny hafaliana
'Zay ao amintsika.