I Piera vatolampy
I Piera vatolampy! (indroa)Vatolampy ny finoany (indroa)Ilay zanak'Andriamanitra.Vatolampy e e!Vatolampy, vatolampy e e!I Piera vatolampy iorenan'ny FiangonanaVatolampy iorenan'ny finoantsika etýIorenan'ny finoantsika. (indroa) 1 Eo ambony vatolampy no miorina; Ilay Fiangonana tanàna vohi-masina: Miara-monina ao ny zanak'Andriamanitra. 2 Eo ambony tora-pasika no miorina Ilay tanànam-pahafatesana sy ny haizina; Fahavalon'ny vahoakan'Andriamanitra. 3 Fa mpandresy ireo mpanompon'Andriamanitra: Ny fiadian'ny fanahy no arangany; Dia ny teny sy ny ranon'ny Batemy. 4 Ireo no sabatra analan'ny Fiangonana Ny voageja anaty herim-pahafatesana Ho amin'ny Fanjakan'ny Zanak'Andriamanitra. 5 Vavahady tsy hay resena velively Ny vavahadin'ny Fiangonana, satria Kristy no hazavana ao anatiny; 6 Kristy ilay masoandro tsy hisoka; Miambina azy tsy ho amin'ny lalan-diso; Amin'ny herin'ny Fanahy Fahamarinana. 7 I Piera no Mpiandry vavahady Sy mpitana ny fanalahidin'io: Izy koa no mpanidy sy mpamoha. 8 Ampidiriny ao anatin'ny fiombonana Ny mpanota izay nania ka tafaverina, Ireo tsy mpino izay voasinton'ny Fanahy.