Ho valin'ny natao ny lanitrao, ry Tompo

Nampiditra: Belle
Sokajy: Fiainana mandrakizay, Fandevenana, Fahafatesana,


  • Fihirana Dera p. "162
  • Fihirana Vaovao p. "429
  • Vavaka sy Hira p. "558
  • Fihirana Hasina p. "494

1 Ho valin'ny natao
 Ny lanitrao, ry Tompo:
 Ny teninao no antoka
 Mampanantena anay.
 
Ny lanitrao ho valin'ny natao. (indroa)
 
2 Ho valin'ny natao
 Ny lanitrao, ry Tompo:
 Izany teny izany
 No fitokianay.
 
3 Ho valin'ny natao
 Ny lanitrao, ry Tompo:
 Ataonay tsinontsinona
 Ny filalaovam-poana.
 
4 Ho valin'ny natao
 Ny lanitrao, ry Tompo:
 Ka ekenay daholo
 Ny didinao rehetra.
 
5 Ho valin'ny natao
 Ny lanitrao, ry Tompo:
 Ho faly sy ho ravo
 'Zahay anilanao.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0074 s.] - Hanohana anay