Ho tonga rahoviana
1 Ho tonga rahoviana,
 Ry Tompo mamiko,
 Ny andro andrasako
 Hihaonana aminao!
2 Sorisorena mafy
 Ny fo atý an-tany,
 Raha miandrandra anao,
 Ry lanitra taninay.
Ry lanitra antenainay
Sy ikelezanay aina!
Aoka ho tonga faingana
Any aminao 'zahay.
3 Aza foinao, ry olona,
 Ny hasambaranao;
 Fa Andriamanitra ihany
 Mahenika ny fonao.
 
4 Ny fontsika asondroty
 Hiakatra any an-danitra,
 Fa any no ahitantsika
 Ny fiadanam-po.
 

