Hitsangana aho ka handeha hody

Hitsangana aho ka handeha hody e, handeha aho
Ka mba hody any amin'ny Ray.
(Lk. 15, 18)

(Tobia 13, 1-10)
 
1 Isaorana ilay Andriamanitra velona mandrakizay
 Ilay mandrakizay ny fanjakany!
 
2 Fa mikapoka izy ka mamindra fo,
 Mampidina an-tseoly ka mampiakatra!
 
3 Ary tsy misy olona
 Izay afaka amin'ny Tànany!
 
4 Ankalazao izy, ry taranak'i Israely,
 Anatrehan'ny vahoaka nanelezany anareo!
 
5 Aharihario ny halehibiazany!
 Asandrato anoloan'ny miaina rehetra izy!
 
6 Fa izy no Tompo Andriamanitsika,
 Raintsika amin'ny taona rehetra,
 
7 Mikapoka antsika noho ny helotsika
 Kanefa mamindra fo indray,
 
8 Ka hanangona avy amin'ny firenen-drehetra
 Izay nampielezany antsika!
 
9 Raha miverina aminy amin'ny fanahy tontolo ianareo
 Sy manao ny marina eo imasony amin'ny fo tontolo.
 
10 Dia hiverina aminareo koa izy
 Sy tsy hanafin-tava aminareo intsony!
 
11 Jereo ny nataony anareo:
 Ka mankalazà azy amin'ny feo avo!
 
12 Isaory ny Tompon'ny fahamarinana!
 Hirao ny Mpanjaka mandrakizay!
 
13 Izaho mankalaza azy aty an-tany nambaboana ahy
 Maneho ny hery sy halehibiazany amin'ity firene-mpanota.
 
14 Miverena, ry mpanota, manaova ny marina eo anoloany
 Sao mba ho sitrany ianareo ka hamindrany fo!
 
15 Mihira an'Andriamanitra Mpanjakan'ny lanitra aho!
 Miravo amin'ny halehibiazany ny fanahiko!

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 33
Fihirana Hasina p. 488
Vavaka sy Hira p. 392
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1164