1 Henoy ny antsonay,
Anjely havanareo,
Ry fianakaviana madio,
Madio sy be herim-po.
Miakara, miakara, miakara
An-dapan'ny Rainareo:
Jesoa, Maria, Zôzefa
Ho ravo handray anareo.
2 'Lay fanekena madio
Nataonareo fahiny
Takaikin'ny ôtely
Voatananareo tokoa.
3 Tsy hoe tsy misy ny mafy,
Tsy hoe tsy misy ny diso;
Kanefa nahay nifamela
Nahay nifamela heloka.
4 Faly izahay Anjely
Mahita ny dimbinareo
Hameno ireo toerana maro
Tsy azon'ny namanay.
5 Ataovy veloma ny tany
Ny lanitra efa mivoha
Handray anareo mianakavy
Tongava, tongava daholo.