1 Hanatona ny ôtely masina aho,
Hanatona ny ôtelin'i Iaveh.
Fa izy no nanome ny hafaliana
Mameno ny foko sy ny saiko izao.
Hanatona aho, hanatona aho,
Hanatona ny ôtely masina aho;
Hanatona aho, hanatona aho,
Hanatona ny ôtelin'i Iaveh.
2 Ka voninahitra anie ho an'ny Ray
Sy ho anao, Jesoa Tompo maminay,
Ary ho anao, ry Fanahy Mpanamasina,
Dera isan'andro sy ho mandrakizay.