Hamafisiko (hamafiko) anio ny teny

Nampiditra: Belle
Sokajy: Fiekem-pinoana,


  • Vavaka sy Hira p. "504
  • Fihirana Hasina p. "473
  • Fihirana Dera p. "148

1 Hamafisiko (hamafìko) anio ny teny
 Namehezako ny tenako
 Tamin'i Zanahary fahiny:
 Hamafisiko anio indray. (intelo)
 
2 'Zaho mino an'Andriamanitra,
 Olon-telo tokoa izy iray.
 'Zaho mino ny Ray Mpahary
 'Zay nanao 'zao tontolo izao. (intelo)
 
3 'Zaho mino ny Zanany tokana
 'Zay namonjy ny olon-drehetra
 Sy nanondro ny làlan-karahina:
 'Zaho mino ny teny nataony. (intelo)
 
4 'Zaho mino ny Fanahy Masina
 'Zay namindra ny saina amintsika;
 Izy no manazava ny olona
 Mba hiala amin'ny hadalana. (intelo)
 
5 Laviko ny fanaon'i Satàna
 Sy ny fireharenay foana;
 Mialà, ry fanahy maloto;
 Fa an'i Jesoa ny tenako 'zao. (intelo)
 
6 Mba ilaozako ny halotoana
 'Zay tsy foin'ny foko fahiny,
 Hàlako ny lalao mahavery;
 Zanahary no fidìn'ny foko.
 
7 Ny homenao anay, Zanahary,
 Hasambarana mandrakizay;
 Koa izaho tsy mety ho reraka,
 Fa matoky ho tonga aminao. (intelo)


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0070 s.] - Hanohana anay