François Xavier

Nampiditra: Belle
Sokajy: Olomasina,


  • Fihirana Hasina p. "471
  • Vavaka sy Hira p. "632

François Xavier, ny fonay andreheto
Ny afo tao anatinao;
Ka ataovy tonga amin'ny Malagasy
)
Ny hasoavan'i Jesoa.                     ) (indroa)
 
1 Ny vola sy ny ravaky ny mpanjaka
 Sy ny fananany rehetra,
 Tandindom-poana raha atao anatrehan'
 Ny voninahitr'i Xavier.

2 Sabatra vy no entin'ny mpanafika
 Handresy ny tany rehetra
 Ny teny to sy ny Fanahy Masina
 No entin'i François Xavier.
 
3 François Xavier mitarika ny mpisorona
 Hamoy ray aman-dreny,
 Ary hankany an-dafin-dranomasina
 Hamonjy ny olo-mahantra.
 
4 Japon, India, fanjakana malaza
 Nalehan'i François Xavier,
 Nampanaikeny an'i Zanahary
 Sy i Jesoa Kristy Tompontsika!
 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0076 s.] - Hanohana anay