1 Fanahy Masina ô, midìna e,
Fanahy Andriamanitra ô, tongava e.
Anjakao izahay, ry Fanahy Masina ô!
2 Nofo aman-dra ny olombelona e,
Tadidinao e fa vovoka e.
3 I Kristy nitsangan-ko velona e,
No nahazoanay anao e.
4 Ny Ray no nampanantena e:
Ianao no hery omeny e.
5 Velominao ny Fiangonana e,
Miroborobo eran-tany e.
6 Ampio 'zahay ho salama e,
Herezo hiatrika adidy e.
7 Mba hampivoatra ny tany e,
Ho toy ny any an-danitra e.
8 Mba hampanjaka ny Ray e,
Hamory ny zanany maro e.
9 Hijoro ho vavolombelona e,
Hinoan'ny olona ny Tompo e.
10 Mba ho fanasin'ny tany e.
Fahazavana mamonjy e.
11 Fanahin'ny Ray ô, midìna e,
Fanahin'ny Zanaka ô, tongava e.