Fitiavana tsy hay takarina

Fitiavana tsy hay takarina no nitiavanao ny olombelona,
Fa fitiavan'Andriamanitra no tao am-ponao toa ranovelona.
 
Matimaty taminay ve ianao, Jesoa?
Moa mba misy ve ao anatinay izay soa?
Tsapanay f'ireo mpanota sy ireo osa )
No iangaranao fitiavana Jesoa.         ) (indroa)
 
1 Fantatrao rako-pery izahay,
 Vokatry ny ota ratran'ny taloha.
 Fantatrao izay sitraky ny Ray:
 Tonga ianao nibaby ireo aretinay    )
 Tonga ianao nitafy ireo halemenay.) (indroa)
 
2 Fantatrao tsisy soa avy aminay
 Maminay ny ratsy, toherinay ny tsara.
 Fantatrao ilay mpamitaka hatry ny ela
 I Satana no mpiampanga lainga anay,     )
 (Soa fa tonga) ianao mandrava ny asany.) (indroa)
 
3 Fantatrao i Maria avy any Magdala
 Andre sy i Piera sy izahay rehetra
 Toy ny Ray ianao, Jesoa mamindra fo,
 Teny mora no anarenanao anay              )
 Faly indrindra ianao, voavela ny helokay.) (indroa)
 

 
Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 455
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.082