Eny e, sambatra e - Ny mahantra am-panahy
1 Ny mahantra am-panahy Sambatra e
Azy ny fanjakan'ny lanitra e Sambatra e
Ny malemy fanahy Mba sambatra e e
Fa handova ny tany Mba sambatra!
Eny e, sambatra e,
Eny, sambatra ianareo,
Hoy ny Tompo,
Mifalia ka miravoa e. (Eny e)
2 Ianareo mpamindra fo e... Sambatra e
Hamindra fo hatrany...
'Zay manana fo madio...
Fa hahita an'Andriamanitra...
3 Ianareo 'zay mitomany... Sambatra e
Fa halàna alahelo...
'Zay te hanjakan'ny marina...
Fa ho henika fahamarinana...
4 Ianareo mpampihavana... Sambatra e
Fa zanak'Andriamanitra e...
'Zay enjehina noho ny rariny...
Na mijaly ho an'izy Tompo...
5 Ary ao an-danitra ao e... Sambatra e
Ianareo ho voninahitra e...
Ho an'ny Ray sy ny Zanaka...
Ary ny Fanahy Masina...