Endrey, ry Tompo ô

Endrey, (ry Tompo ô)
Endrey, mba sambatra aho sy finaritra
Fa ianao no miahy sy mitantana ahy.
(Mba sambatra aho sy finaritra)
Fa ianao no miahy sy mitantana ahy.
 
1 Tsy mamafy e (kanefa mihinana)
 'Rony vorona e (tsy manao an-tsompitra)
 Nefa ireny e nataonao ho ahy,
 Ka nahoana re no hanahy?
 
2 He ny ahitra e (tsara famelana)
 Tsy miahy (ny ampitso ho maina)
 Nefa ireny e nataonao ho ahy,
 Ka nahoana aho re no hanahy?
 
3 Tsy hijanona e (izahay, ry Tompo)
 Fa hikatsaka e ('zay hivelomana)
 Nefa kosa hotsarovanay
 Fa ianao no mitsimbina sy mitantana.

Nampiditra Belle
p. 442
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094