Efa hatrany am-piandohana ny Teny

(Jn. 1, 1-16)

A Efa hatrany am-piandohana ny Teny,
 Ary ny Teny tao amin'Andriamanitra,
 Ary Andriamanitra ny Teny.
 
 Izy no nahariana ny zavatra rehetra,
 Ary raha tsy nisy izy
 Tsy nisy n'inona n'inona àry.
 
B Tao aminy ny aina,
 Ary hazavana ho an'ny olombelona ny aina;
 
 Ny teny no hazavana marina
 Izay manazava ny olombelona rehetra.
 
D Teto amin'izao tontolo izao izy
 Fa tsy nahalala azy izao tontolo izao;
 
 Nankeo amin'ny havany izy,
 Fa ny havany tsy nandray azy.
 
E Ary ny teny tonga nofo aman-dra    )
 Ka nonina tatý amintsika                  )
 Ary feno hasina sy fahamarinana izy:)
                                                        ) (indroa)
 Ka avy amin'ny hafenoany                 )
 No andraisantsika rehetra                 )
 Fahasoavana ombàna fahasoavana.   )

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 331
Fihirana Hasina p. 439
Vavaka sy Hira p. 439
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1019