Efa akaiky ny Mesia

Nampiditra: Belle
Sokajy: Fiaviana,


  • Vavaka sy Hira p. "406
  • Fihirana Hasina p. "437
  • Ankalazao ny Tompo p. "320

(Iz. 40, 27-31)

Efa akaiky ny Mesia
Ilay nirin'ny firenena eran-tany.
 
1 Nahoana re 'nareo no dia sahy miteny hoe:
 Miafina amy Tompo ny fiainako rehetra,
 Tsy hitan'Andriamanitra ny rariny ataoko?
 Tsy fantatrao va re sa tsy mbola henonao?
 
2 Ny Tompo no Andriamanitry ny taona mifandimby;
 Ny fara vazantany harin-tanany avokoa,
 Tsy mety sasatra izy, tsy mba trotraka na oviana,
 Tsy takatry ny saina ny halalim-pahendreny.
 
3 Omeny herin-tsaina ireo osa sy malemy,
 Omeny risi-po ireo valaka sy trotraka.
 Zatovo vao mitombo mety sasatra sy vizana;
 Tanora 'zay tomady mety mbola hangozohozo.
 
4 'Zay miankina amy Tompo dia mahazo hery vao,
 Hisidina eny ambony toy ny vorona mahery;
 Tsy hanam-paharerahana izy raha mihazakazaka;
 Handeha lava izao fa tsy hahatsiaro lanaka.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0073 s.] - Hanohana anay