1 Derao ny Tompo tsitoha
Mitoetra anaty hôstia
Fa izy Mpanjaka mahery
Sy Tompon'izao tany izao.
Ankalazao 'lay Andriamanitra
Monina eto amintsika.
Hirao i Jesoa hôstia,
Hobio derao, derao mandrakizay.
Anao 'zahay, ry Jesoa.
2 Rahefa ho tonga 'lay andro
Nialany teto an-tany,
Nomeny hiray amintsika
Ny Tenany velona izao.
3 Dia indro i Jesoa Mpamonjy
Fa zary hanintsika;
Koa isaory re àry ny soa
Ataony atsika lalandava.