Derao ny anarana

Nampiditra: Belle
Sokajy: Fihobiana, Paka,


  • Vavaka sy Hira p. "697
  • Fihirana Hasina p. "425

Derao ny anarana
Hirao ny voninahitry
Ny fandresena ben'
Ny Mpamonjy antsika.
Nandresy i Jesoa
Ka resy i Satàna;
Hirao ny voninahitr'
I Jesoa sy i Maria e.
 
1 Ry Maria Reninay, i Jesoa Zanakao
 Tsy mba mety ho lo toy ny olon-drehetra:
 Ilay nanao ny aina tsy ela tao am-pasana,
 Ka inona moa no tsy hainy hatao?
 
2 Hita marina izao izay teny rehetra
 Nolazain'i Jesoa, milaza azy hitsangana;
 Avelao ny fontsika hifaly hahita azy;
 Tafatsangan-ko velona indray.
 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0075 s.] - Hanohana anay