Derao, hobio Jesoa Mpamonjintsika

Nampiditra: Belle
Sokajy: Paka,


  • Vavaka sy Hira p. "699
  • Fihirana Hasina p. "423
  • Fihirana Dera p. "119

Derao, hobio Jesoa Mpamonjintsika
Fa nitsangana tamin'ny maty
Velona mandrakizay.
 
1 Vao lasa ny hateloana
 Tao am-pasam-bao,
 Indro izy velona indray
 Sady be fahefana.
 
2 Tevatevaina omaly
 Izy vao ho faty,
 Fa nomena izao aim-baovao
 Sady mandrakizay.
 
3 Aoka ny herinao, Tompo,
 Hanohana anay;
 Ka aiza re no tsy handresy
 Ireto zanakao?

 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0341 s.] - Hanohana anay