Avia hanatona amim-pahatokiana (1)

Nampiditra: Belle
Sokajy: Vavaka maraina, Fidirana,


  • Vavaka sy Hira p. "561
  • Fihirana Hasina p. "417

Avia hanatona amim-pahatokiana
Ny lapan'ny fahasoavana
Mba hahazoantsika famindram-po
Sy mba hahitantsika fahasoavana.
Aleloia.
 
1 Tsy ho sasatra aho mihira
 Ny hatsaram-pon'ny Tompo;
 Hotoriko hatraiza hatraiza
 Ny fahamarinanao.
 
2 Loa-bolana aho niteny:
 Mafy orina ny fitiavana,
 Miorim-paka hatrany an-danitra
 Ny fahamarinanao.
 
3 Voninahitra anie ho an'ny Ray,
 Voninahitra ho an'ny Zanaka,
 Voninahitra mandrakizay
 Ho an'ny Fanahy Masina.
 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0085 s.] - Hanohana anay