1 Atolotray, ry Tompo, ny mofo sy ny divay
Ambonin'ny ôtely:
Mba raiso ka ovao ho tenan'ny Zanakao.
2 Atolotray, ry Tompo, miaraka amin'ireo
Ny tenanay tontolo:
Mba raiso ka ovao ho sorona masina.
3 Atolotray, ry Tompo, atolotray ho anao
Ny fonay manontolo:
Mba raiso ka mba tano ho anao mandrakizay.
4 Ekeo ny tolotray, ry Tompo malalanay,
Na dia tsy mendrika aza,
Ho Sorom-pamonjena izao tontolo izao.