‘Zay no maraina tomaratra

1 ‘Zay no maraina tomaratra
    Miposaka avy any atsinanana
    Ho fanantenana misandratra,
    Handroso tsy laitra tohanana
‘Ndreto izahay feno hery sy toky
Manana anao, eny mantsy, Razoky,
Jesoa, ianao no ho tompon’ny laka:
Eran’ny Nosy tsy maintsy manjaka
2 ‘Zahay no solofo mipoitra
   Ho dimbin’ny ala taloha
   Ho fanantenana mioitra
   Ho hery manainga tsy toha
3 ‘Zahay te hamaly  fitia
   Handray ny ainay ho anao;
   Fihino kanefa,satria
   Malemy, ka mora mandao
Nampiditra hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086