'Lay zanaky ny Ray tonga nofo

Nampiditra: hery
Sokajy: Fiaviana,


  • Fihirana Vaovao p. "32
  • Vavaka sy Hira p. "663
  • Fihirana Hasina p. "558
  • Ankalazao ny Tompo p. "109
  • Fihirana Dera p. "187

1. 'Lay zanaky ny Ray tonga nofo
Hahatonga antsika izao zaza atsangan'ilay Ray.
Izy ilay mahefa zary olona nanaiky,
Hampihavana indray ny mpanota amin'ny Ray.

2. 'Lay zanaky ny Tompo no mpanompo
Hanome antsika izao aina izay tsy mety ritra;
'Lay tsy hita maso zary hitamaso,
Mba ho tonga ohatra hianarantsika izao.

3. 'Lay zanaka malala no nanaiky
Mba hanapaka ny rohy sy ny giam-pahotana
Zanaky ny avo tonga ety an-tany,
Mba hampody antsika indray hankany an-tranon-dRay.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0414 s.] - Hanohana anay