Ny tolotrao no tena fitia

1-  Tompo ô, atolotray Anao ny fonay mba ho iray
Tolory fitia toy ny Anao ka hamasino re
Mba hahery hamakivaky ny onjam-piainana
Ny tolotrao e no tena fitia, Fitia maharitra ho doria
 
Mba raiso re, raha sitrakao
Raiso ry Ray ô, mandrakizay
Mba raiso re, raha sitrakao
Raiso Ray ô, mandrakizay

 
2- Tompo ô ambaranay Anao 'zato fikasanay
Ity mofo ‘zay atolotray: ho Vatanao re
Ka vokiso ny Fitiavanao izany fiainanay
Ny tolotrao e no tena fitia, Fitia maharitra ho doria
 
3- Tompo ô apetraka Aminao ny ahiahim-ponay
Ato anatin’ny divay izay hiova ho Rànao re !
Fenoy ny famindram-ponao ny fiainanay ety
Ny tolotrao e no tena fitia, Fitia maharitra ho doria

Nampiditra louvamifaly1
Sokajy Fanolorana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091