Mino aho Andriamanitra Ray
Nampiditra: louvamifaly1
Sokajy:
Fiekem-pinoana,
Mino aho Andriamanitra Ray
Andriamanitra
tokana e
1- Ray
nahary ny tany sy ny lanitra
Ray mahefa izao rehetra izao
Na ny hita na ny tsy hita
Mino aho Andriamanitra ô
2- I Jesoa
zanak’Andriamanitra
No namonjy izao tontolo izao
Ny Virjiny niteraka Azy
Mino aho Andriamanitra ô
3- I Jesoa
nijaly sy maty
Tafatsangan-ko velona
Niakatra any an-danitra any
Mino aho Andriamanitra ô
4- Ianao ry
Fanahy Masina
Tompo sy Mpamelombelona
Mpankahery sy mpanolotsaina
Mino aho Andriamanitra ô
5- Zaho mino
ny Batemy tokana
Zay manala ny otanay
Ny Fiangonana, ny fiainan-ko avy
Mino aho Andriamanitra ô !