Voninahitra anie ho Anao ry Tompo Mpahary

Nampiditra: louvamifaly1
Sokajy: Voninahitra,


Voninahitra anie ho Anao ry Tompo Mpahary :
Ianao Andriamanitra ô, no Masina indrindra
Fiadanana ho antsika olombelona notiaviny
Fa nanehoany ny fara-fitiavavany

1-  Midera anao  izahay e
Mankalaza anao  izahay  e
Mitsaoka mihoby ny hasinao izahay  e
Misaotra Anao ‘zahay e
Ry Tompo Andriamanitra ô
 
2- Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra ô
Ry Tompo Andriamanitra
Manala ny fahotan’ny olona Ianao
Afaho ny helokay e!
Ry Jesoa zokinay e!
 
3- Ianao irery no avo indrindra
Ry Tompo Andriamanitra
Ny haja sy ny voninahitra
Ho Anao mandrakizay e
Ry Tompo Andriamanitra ô

Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0066 s.] - Hanohana anay