Koezy Zañahary

Nampiditra: louvamifaly1
Sokajy: Voninahitra,


  • Antsao ny Tompo p. "237
  • Karine Dera p. "542
  • Fihirana Hasina p. "824

Koezy Tompoko Zañahary e
Avy ny Tsara
Oia ie avy ny tsara e, Oia avy ny tsara a
 
1-  Amiaña voninahitra Zañahary e
    Zañahary añaboñabon’ny jiaby e
    Samby hiadam-pinaritry ny eto an-tany e
    Fa nasehony azy ny indrafony e
 
2- Indreto izahay midera Anao ô
    Mitsaoka sy mankalaza Anao ô
    Miara-mihoby ny hasinao ô
    Miara-misaotra Anao zahay e
 
3- Noho ny haben’ny voninahitrao
    Ry Tompo Mpanjakan’ny lañitry e
    Zañaharinay sady Babanay e
    Ianao mahefa ny raha jiaby
 
4- Jesoa Tompo Zanaka lahitokaña e
    Ry Tompo sady Andriamanitray e
    Ianao Zanak’ondrin’ny Zañahary e
    Zanaka Zañahary zay Babanay e
 
5- Ianao izay mañala ny heloka e
    Koa mamindrà fo aminay e
    Ianao izay mañala ny fahotaña e
    Koa raiso ny fifonanay e
 
6-Ianao ankavanan’ny Zañahary e
    Koa mamindrà fo aminay e
    Tsisy masiñy afa-tsy Anao irery
    Tsisy Tompo afa-tsy Anao araiky


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0072 s.] - Hanohana anay