Aoka ianao hanokatra ny lanitra

Nampiditra: Belle


  • Ankalazao ny Tompo p. "301
  • Vavaka sy Hira p. "410
  • Fihirana Hasina p. "407

(Iz. 63, 7-10. 16-17. 19)

Aoka ianao hanokatra ny lanitra
Ka hidina etý aminay amin-kery.
 
1 Ny famindram-po sy ny asan'ny Tompo
 Dia hankalazaiko isan'andro isan'andro,
 Fa maro no efa nataony ho antsika,
 Ary izy efa niantra an'i Israely.
 
2 Ka izy no tonga Mpamonjy azy ireo,
 No sady nangoraka, feno fitserana.
 Fa tamin'ny andron'ny fampahoriana,
 Ny Tompo nitsinjo azy ireo lalandava.
 
3 Nihodina taminy anefa izy ireo,
 Ka nampalahelo ny Fanahiny Masina.
 Niseho ho fahavalon-jareo àry izy
 Ka rafitra niady namely azy ireo.
 
4 Zareo kosa niantso hoe: "Rainay ianao.
 I Abrahama tsy mahalala anay
 F'ianao dia ianao re, Tompo, no Ray,
 Mpanavotra anay hatr'izay ela izay.
 
5 Rah'izany no efa niantsoanay anao,
 Nahoana 'zahay re no avelanao
 Hivaona amy làlana voasoritrao,
 Ka tonga maditra, tsy hatahotra anao?
 
6 Fa noho ny fitiavanao 'reto mpanompo,
 Miantso izahay, avia mitodiha!
 Dia aoka ianao mba handrovitra ny lanitra
 Ka hidina etý aminay amin-kery".


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0070 s.] - Hanohana anay