Antsoin'ny Anjely isika

1 Antsoin'ny Anjely isika
 Ho any amin'ny Mpamonjy antsika
 Tonga atý amintsika atý
 Hanala ny fahotantsika:
 Ry olombelona, mankanesa
 Amin'i Jesoa Zazakely.
 
2 Indro i Jesoa Tompontsika
 Mandry anaty tranon'omby;
 Mba tsara endrey ny endrikao,
 Ry Jesoa Zanahary e!
 Misaotra anao 'zahay, ry Jesoa,
 Tompon'ny tany aman-danitra.
 
3 Faly sy ravo ny fonay
 Mahita anao, Virjiny masina,
 Reny malalan'i Jesoa:
 Ny fivavahanay rehetra
 Ento ho an'i Jesoa Zaza,
 Ka ny fonay ampifalio.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Noely
Fihirana Hasina p. 404
Vavaka sy Hira p. 671
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.076