Antoka ho antsika ny Fanahy. (2Kor. 1, 22)
1 Mitaona antsika hibebaka tokoa,
Ka hihavana amy Ray.
2 Miantso antsika ho amin'ny mazava
Hahafantatra ny Ray;
3 Manafaka amin'ny tebitebin-tsaina
Ka hitodika amy Ray.
4 Mibitsika eo anivon-java-maro
Izay sitraky ny Ray.
5 Manoro antsika vavaka sahaza
Ankatoavin'izy Ray.
6 Manampy antsika hiaina dieny izao
'Lay fiainam-baovao.