Ankalazainy e, derainay e

Ankalazainy e, derainay e
Ianao Ray maminay
Hobinay e, asandratray e
'Lay Reny tokinay e

 
1 Ry loharan'ny soa
 Miteraka an'i Jesoa
 Ampionao izahay e!
 Mba tsy hangaihay.
 
2 Mitory hevitra tsara
 No sady mpizarazara
 Ny soa avy amin'ny Tompo
 Ho anao mpanompo.
 
3 Mpanjakavavinay manetry tena
 Lalan'ny firenena
 Kintana fitarikandro
 Banjininay andavanandro.
 
4 Drianinay lalandava
 Ny voninahitrao mazava
 Ny anaranao Maria
 Dria - Dria - Dria.
Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 398
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092