Ankalazainay ianao, ry rainay, Jacques Berthieu

Nampiditra: Belle
Sokajy: Olomasina,


  • Vavaka sy Hira p. "628
  • Fihirana Hasina p. "398
  • Fihirana Vaovao p. "426

1 Ankalazainay ianao, ry Rainay,
 Jacques Berthieu;
 Be herim-po tokoa nampiely ny Fanjakan'
 I Jesoa Kristy Tompontsika.
 
Voninahitra sy fiderana,
Fankasitrahana no atolotray
Ho anao, ry mpanao soa ny Tanindrazanay.
 
2 Tsy àry voalaza ny hatsaram-panahy
 'Zay nasehonao;
 Namiratra tokoa ny hamoram-ponao
 Sy ny fandavan-tena.
 
3 Martirin'ny finoana,
 Martirin'ny fitiavana,
 Deraina ianao: omeo anay rehetra
 Ny herim-po hiseho fa tena krisitianina.
 
4 Tsinjovy lalandava 'lay Nosy maminao:
 Madagasikara,
 Fa sarotra diavina ny andronay ankehitriny;
 Arovy izahay.
 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0074 s.] - Hanohana anay