Anjarako ianao, ry Tompo

Anjarako ianao, ry Tompo, ianao no lovako
Ao aminao no ametrahako ny hasambarako.
 
1 Tsy atakaloko anao, Tompo ô,
 Ireo fanompoan-tsampy, Tompo ô,
 
2 Ianao tsy afaka ato an-tsaiko, Tompo ô,
 Tsy misy mampatahotra ahy, Tompo ô,
 
3 Ny tànanao mitantana ahy, Tompo ô,
 Ka tsy ho diso làlana aho, Tompo ô.
 
4 Rahefa ho tonga ny farandro, Tompo ô,
 Ianao no hanangana ahy, Tompo ô.
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 397
Vavaka sy Hira p. 475
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0212