Andriamanitra nahary no tiavo

(Det. 8, 1-18)

1 Andriamanitra nahary no tiavo sy ivavaho koa,
2 Ny anara-masiny hajao, ka aza enti-mianiam-poana.
 
Tano ao am-po fa fototry ny soa,
Ny didin-Janaharinao. (indroa)
 
3 Ny alahady hamasino am-panompoana an-Janahary.
4 Hajao ny ray sy reninao, ho ela velona ianao.
 
5 Ny olona aza mba vonoina, fa izy sarin-Janahary.
6 Ny fomba ratsy koa fadio, an'asa na am-paniriana.
 
7 Ny fangalarana aza atao, ny manambàka koa fadio.
8 Ny endrikendrika sy fosa, fadio daholo toy ny lainga.
 
9 Fadio ny fanirian'ny nofo ivelan'ny fanambadiana.
10 Ny fanirian-javatr'olona, fadio koa ny tsy an-drariny. 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 387
Fihirana Vaovao p. 407
Vavaka sy Hira p. 389
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089