Andriamanitra e fiadanana
Fiadanana e fitiavana
Fitiavana efa namonjy ny olombelona.
1 Nataon'Andriamanitra e 'ty olombelona
Nomeny toetra sambatra izy tao Edena
Fa Andriamanitra e dia Fitiavana.
2 Na dia nandà ny Ray aza ny olombelona
Dia tsy navelany ho kamboty fa natsangany
Fa Andriamanitra e dia Fitiavana.
3 Dia nirahiny ho antsika re ny Zanany
Mba hisolo voina antsika olombelona
Fa Andriamanitra e dia Fitiavana.