'Zaho no tena foto-boaloboka

(Jn. 15, 1-8)

1 'Zaho no tena 'lay foto-boaloboka
 Ary ny Raiko no mpamboly azy.
 
2 N' sampana eo amiko izay tsy mamoa:
 'Reo dia esorina hiala avokoa.
 
3 'Reo 'zay mamoa tsara kosa andrantsanany
 Mba hamoazany bebe kokoa.
 
4 Efa madio koa izao ianareo
 Noho ny teny nataoko anareo.
 
5 Aoka ianareo hitoetra ao amiko
 'Zaho hitoetra ao aminareo.
 
Hoy ny Tompo, ny Tompo Jesoa.
 
6 Tsy afa-mamoa samirery ny sampana
 Raha tsy miray amin'ny foto-boaloboka.
 
7 Tahaka izany mihitsy ianareo
 Raha tsy mitoetra ao amiko koa.
 
8 'Zaho no tena 'lay foto-boaloboka
 Ary ianareo izao kosa no sampany.
 
9 'Zay mitoetra ao amiko manko
 Ary itoerako: mamoa be.
 
10 Raha tsy izaho anie ianareo
 Tsy mahavita na inona na inona.
 
Hoy ny Tompo, ny Tompo Jesoa.
 
11 Raha tsy mitoetra ato amiko ny olona,
 Atsipy any ivelany tahaka ny sampana.
 
12 Dia mihamaina izy ireo ka angonina,
 Dorana anaty afo dia may.
 
13 Koa ianareo raha mitoetra ao amiko
 Sady itoeran'ny teniko koa.
 
14 Zay tianareo, angataho avokoa,
 Fa ho tanteraka, ho azonareo.
 
15 Raha mamoa ianareo sady mpianatro,
 Dia voninahitra ho an'ny Raiko.
 
Hoy ny Tompo, ny Tompo Jesoa. 
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 368
Vavaka sy Hira p. 821
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0766