Tiavinao aho, ry Ray ô

Nampiditra: Belle


  • Vavaka sy Hira p. "776
  • Fihirana Hasina p. "364
  • Fihirana Vaovao p. "514

1 Tiavinao aho, ry Ray ô, entinao aho,
 Asandratrao ho zanakao,
 Tiavinao aho, ry Ray ô, entinao aho,
 Mba ho Kristy mandrakizay.
 
Velona aho,
Tsy izaho intsony anie no velona e,
Fa i Kristy no velona ato amiko.
(Ka velona aho)
 
2 Tiavinao aho... Mba hampandre ny teninao;
 Tiavinao aho...   Ho endrikao fitiavam-be.
 
3 Tiavinao aho... Mba hanasoa 'reo zanakao;
 Tiavinao aho...   Hanompo ny Fiangonanao.
 
4 Tiavinao aho... Ny asanao no asako,
 Tiavinao aho...   Ny sitrakao no sitrako.
 
5 Tiavinao aho... Asandratrao toy ny lakroa,
 Tiavinao aho...   Rantsananao hamoa be.
 
6 Tiavinao aho... Na osa anie herezinao;
 Tiavinao aho...   Fanahinao no iainako.
 
7 Tiavinao aho... 'Ndray andro anie hatsanganao;
 Tiavinao aho...   Ho aminao mandrakizay.
 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0209 s.] - Hanohana anay