Mpivahiny
Mpivahiny izahay etý;Fandalovana izao rehetra izaoKa ho lo, sy ho levona,Ho lavenona sy zary vovoka.
1 Eny, Ray ô! Fantatrao tokoa,
Fantatrao 'zahay fa mpivahiny etý.
Mihelina toy ny rivotra ny andronay etý,
Ka ho aiza moa 'zahay?
2 Rah'hiala etý, ho any aminao,
Sao, sanatria, ho very 'zany 'zaho.
Ka raha hatrizay, dia ho avy ianao,
Mba hitsara anay, ka ho aiza moa 'zahay?
3 Mba satriko e ho eo anilanao
No anjarako, raha toa ka hiala etý.
Mino aho, Ray ô, f'efa afaka
'Zany otako, k'ilaozako ny etý.