Iezaho, hoy ny Tompo, ny hanjakan'Andriamanitra

Nampiditra: Belle


  • Fihirana Vaovao p. "515
  • Fihirana Hasina p. "348

Iezaho, hoy ny Tompo,
Ny hanjakan'Andriamanitra e
Isan'andro vaky e; (iezaho)
Iezaho, hoy ny Tompo,
Ny hanao ny fahamarinana e,
Ka ho tia ny namana:
Ny sisan'izay e
Homena anareo maimaim-poana.
 
1 Te ho velona vao mifamono,
 Te ho sambatra vao mifandringana,
 Te hiadana vao mifamely
 Izahay olombelona e,
 Ka miantso anao, ry Tompo.
 
2 Te hivondrona vao mifandany,
 Te hiray vao misaratsaraka,
 Te hihavana vao mifandrafy e
 Izahay olombelona e,
 Ka miantso anao, ry Tompo.
 
3 Te hitovy vao mifanitsaka,
 Te hivoatra voa mifandrendrika,
 Te hamokatra vao mifangalatra e
 Izahay olombelona e,
 Ka miantso anao, ry Tompo.
 
4 Ny fahendren'Andriamanitra,
 Ialàna vao manahirana;
 Te ho afaka anie vao mifatotra e
 Izahay olomblona e,
 Ka miantso anao, ry Tompo.
 
5 Hanorina fiaraha-monina,
 Vao mainka mifankahala,
 Ka miasa fa sasa-poana e
 Izahay olombelona e,
 Ka miantso anao, ry Tompo.

 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0069 s.] - Hanohana anay