Hifaly, hiravo ny tany manontolo,
Ary hanakoako eran'ny lanitra
Ny hira fiderana, hira fankalazana
Ny fahamarinanao, ry mpiandry an'i Kristy.
1 Zôzefa ô, raiso re ny antsam-pifalianay,
Fa ianao no niaro an'i Kristy.
2 Zôzefa ô, mankalaza anao ny kristianina rehetra,
Fa ianao no nitaiza ny Mpamonjy.