Fanilo, mitsangàna

(Fanilon'i Madagasikara)

1 Fanilo, mitsangàna:
 Antoky ny firenena ianao;
 Mitrakà, mitsangàna,         )
 Miezaha, tano ny hajanao. ) (indroa)
 
Ry Gasikara tsy foiko,
Rakitra sarobidy
Nomen'ny Tompo ho anjarako,
Ka horaisiko ho adidy.
 
2 Mijoro aho fa Fanilo,
 Vonona no baiko hoarahiko:
 Hanampy sy hanilo                   )
 Ny mpiray tanindrazana amiko. ) (indroa)
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 321
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1337