Izao no dina ataoko
(Velirano skoty)
1 Izao no dina ataoko:
 Hanome anao, ry Tompo,
 Ny tenako manontolo
 Ho anao manomboka anio.
 
Koa mianiana aho anio
Eto anatrehanao
Ho tia sy hanompo anao,
Ry Jesoa Tompo ô.
2 Intý atolotro anao
 An-kafaliam-be
 Ny foko ho tia anao,
 Ka mba raiso, ry Jesoa ô.
 
3 Hanompo ny tanindrazako
 No ilofosako,
 Iomanako isan'andro
 Handray ny adidiko.
 
4 Hanara-dia anao
 No ijoroako,
 Hanompo sy hanasoa
 Ireo rahalahiko.
 (Ireo rahavaviko)
 
5 Ianao no antenaiko,
 Ianao no heriko,
 Ka mba tantano aho,
 Ry Jesoa zokiko.
 

