Voninahitra ho an'Andriamanitra 'zay monina an-tampon'ny lanitra

Nampiditra: Belle
Sokajy: Voninahitra,


  • Fihirana Hasina p. "318
  • Fihirana Dera p. "265

1 Voninahitra ho an'Andriamanitra
 'Zay monina an-tampon'ny lanitra;
 Fiadanana ho an'ny olona
 'Zay tsara tsy mety mamitaka.
 Voninahitra    ho anao, ry Ray,
 Voninahitra    ho anao, ry Zanaka,
 Voninahitra    ho anao, ry Fanahy,
 Voninahitra a.
 
2 O ry Jesoa Mpanavotfra anay,
 Mba henoy ny vavakay:
 Tsy nandà rô fa nanota,
 Ka mivalo misitrika impito rô.
 Mamindrà fo,  ry Jesoa Tompo ô,
 Mamindrà fo,  ry Mpamonjy anay,
 Mamindrà fo,  ry Mpanjakanay,
 Mamindrà fo, ô.
 
3 Ho an'i Jesoa 'lay Masina indrindra,
 Voninahitra mandrakizay rô.
 Aoka isika mba hidera sy hankalaza
 'Lay Tompo Andriamanitra.
 Voninahitra    ho anao, ry Ray,
 Voninahitra    ho anao, ry Zanaka,
 Voninahitra    ho anao, ry Fanahy.
 Voninahitra a.

 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0077 s.] - Hanohana anay