'Sika niara-nisotro ny aleoko maty

Nampiditra: Belle


  • Vavaka sy Hira p. "791
  • Fihirana Hasina p. "316
  • Ankalazao ny Tompo p. "493

1 'Sika niara-nisotro ny aleoko maty tam'i Jesoa Tompo a
 Sahy manao antso avo sy mitaky fahafahana,
 Fahafahana sahaza ô ny zanak'Andriamanitra.
 Sanatria:
 Tsy fahafahana mivaona any anivon-danitra any a         )
 Fa santarina eto an-tany hampiadana ny olona rehetra. ) (indroa)
 
2 'Sika niara-nisotro ny aleoko maty tam'i Jesoa Tompo a
 Sahy mijoro ho mpitondra 'lay fanantenana,
 Fanantenana mendrika ny zanak'Andriamanitra.
 Sanatria:
 Tsy rongony mampatory mampanao ampitso lava,             )
 Fa vy miaina handresena fah'fatesana amy lafiny rehetra. ) (indroa)
 
3 'Sika niara-nisotro ny aleoko maty tam'i Jesoa Tompo a
 Sahy mitaky lalandava fanavaozana rafitra,
 'Zay rafitra mangeja ny zanak'Andriamanitra.
 Sanatria:
 Tsy ny fomba aman-dalàna no toavina hotompoina,      )
 Fa ny zo aman-kasina mampiombona ny olona rehetra. ) (indroa)
 
4 'Sika niara-nisotro ny aleoko maty tam'i Jesoa Tompo a
 Sahy milatsaka ho iraka mpitondra hafaliana,
 Hafaliana mendrika ny zanak'Andriamanitra.
 Sanatria:
 Ts'ho vahoaka manirery eo anivom-pirenena,                        )
 F'ho masoandro lohataona mampiravoravo ny olona rehetra. ) (indroa)
 
5 'Sika niara-nisotro ny aleoko maty tam'i Jesoa Tompo a
 Sahy manolotra ny aina hampijoro fitiavana,
 Fitiavana sahaza ny zanak'Andriamanitra.
 Sanatria:
 Tsy fitiavana kanosa mora kivim-panenjehana,                    )
 Fa fitiavana matoky, fahendrena homena ny olona rehetra. ) (indroa) 
 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0071 s.] - Hanohana anay